Famantarana an'i Jesosy Kristy

Jesosy nampitandrina: « Fa maro no ho avy

amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. » (Matio 24:5) Koa « Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo. » (Lioka 21:8)

Nilaza koa Jesosy nanao hoe:
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.  Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7: 21-23)

Ny tsy fiezahana mitady ny marina no mahavoafitaka. Koa Indreto misy famantarana vitsivitsy momba an’i Jesosy Kristy izay tokony ho fantatra mba tsy hahavoafitaka.

Avy aiza i Jesosy Kristy?
Jaona 1: 1-14
q Jesosy dia Tenin’Andriamanitra tonga nofo.
q « Ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra »
q « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.  »
q « Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona» « Izy no mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao »
q « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery na fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. »
q « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Raysady feno fahasoavana sy fahamarinana.  »

INONA NO  FAMANTARANA AN’I JESOSY?
Ny filazana momba ny FAHAFATESANY no nomen’i Jesosy ho famantarana Azy (Matio 12: 38-40). 
Lavo tahaka ny maty eo an-tongony izay mahita ny voninahiny(Apo1:9-18). 

Izy no fananganana ny maty: « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:54) 
Ny Filazantsara nasainy notoriana dia ny filazantsaran’ny « Fanjakan’Andriamanitra. »
Jesosy Kristy no Tompon'ny Sabata, ary Lahimatoa amin'ny maty, Vavolombelona Marina, Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany.
Izy no Voalohany sy Farany, dia Ilay Velona; "efa maty Aho, nefa, indro velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita."


Fisehon’ny Voninahitr’i Kristy
Apokalypsy 1: 9-18

q Ny tarehiny – tahaka masoandro mamirapiratra amin’ny heriny
q Ny volony – fotsy tahaka ny volon’ondry fotsytahaka ny orampanala
q Ny masony – tahaka ny lelafo
qNy fitafiany – akanjo fotsy lava hatrany an-tongonysady misy fisikinam-bolamena eo amin’ny tratrany.
q Ny feony – toy ny firohondrohon’ny rano be
q Ny vavany – misy sabatra maranitra roa lela
q Ny tongony – tahaka ny varahina manganohano, voadio tamin’ny fandrendrehana
q Ny tanany ankavanana dia mitana kintana fito
q Eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito Izy
q Velona mandrakizay Izy sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.


Famantarana momba ny
Fahafatesan’i Kristy
Matio 12: 38-40


§ Maty tamin’ny antsasaky ny herinandro (Alarobia) (Daniela 9:27) ary nilevina telo andro sy telo alina Izy (Matio 12: 38-40)
§Izy no nampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà (Daniela 9: 27).
§Nandritra ny fihinanana ny Paska, nanafatra ny mpianany Izy mba hanao toy izany ho fahatsiarovana Azy. (1 Korintiana 11: 24)
§Ny 14 Nisana (Abiba) hariva vao maty masoandro, no fotoana famonoana ny zanak’ondrin’ny Paska, ka itandremana ny Paska (Eksodosy 12: 6).



FAMINTINANA:
Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanamafisana ny fahafantaranao momba an’i Jesosy Kristy. Eo am-pamaliana izany, aza adino ny mamaky Baiboly.

ü   Ahoana no fisehon’ny voninahitr’i Jesosy Kristy araka ny Baiboly?
üOviana no maty i Kristy? Firy andro Izy no nilevina tao am-pasana?
ü Oviana Izy no nitsangana tamin’ny maty?
üInona no fototry ny famonjena ho an'ny olombelona: ny  nahaterahan'i Kristy ve sa ny nahafatesany? Hazavao ny valinteninao.
üInona no maha-zava-dehibe ny fahafatesan’i Kristy?
üInona no filazantsara nasainy hotoriana mandrakizay?

Popular posts from this blog

Famantarana ny Fiavin'i Kristy sy ny Andro Farany

Famantarana an’i Jesosy Kristy