Famantarana an’i Jesosy Kristy

Jesosy nampitandrina: « Fa maro no ho avy

amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany. » (Matio 24:5) Koa « Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo. » (Lioka 21:8)

Nilaza koa Jesosy nanao hoe:
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.  Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay?
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7: 21-23)

Ny tsy fiezahana mitady ny marina no mahavoafitaka. Koa Indreto misy famantarana vitsivitsy momba an’i Jesosy Kristy izay tokony ho fantatra mba tsy hahavoafitaka.

Avy aiza i Jesosy Kristy?
Jaona 1: 1-14
q Jesosy dia Tenin’Andriamanitra tonga nofo.
q « Ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra »
q « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.  »
q « Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona» « Izy no mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao »
q « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery na fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany , dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra. »
q « Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina* tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.  »

Inona no  famantarana an’i Jesosy?
Ny filazana momba ny FAHAFATESANY no nomen’i Jesosy ho famantarana Azy (Matio 12: 38-40). 
Lavo tahaka ny maty eo an-tongony izay mahita ny voninahiny(Apo1:9-18). 

Izy no fananganana ny maty: « Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. » (Jaona 6:54) 
Ny Filazantsara nasainy notoriana dia ny filazantsaran’ny « Fanjakan’Andriamanitra. »
Jesosy Kristy no Tompon'ny Sabata, ary Lahimatoa amin'ny maty, Vavolombelona Marina, Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany.
Izy no Voalohany sy Farany, dia Ilay Velona; "efa maty Aho, nefa, indro velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita."


Fisehon’ny Voninahitr’i Kristy
Apokalypsy 1: 9-18

q Ny tarehiny tahaka masoandro mamirapiratra amin’ny heriny
q Ny volony fotsy tahaka ny volon’ondry fotsy, tahaka ny orampanala
q Ny masonytahaka ny lelafo
qNy fitafiany akanjo fotsy lava hatrany an-tongony, sady misy fisikinam-bolamena eo amin’ny tratrany.
q Ny feony – toy ny firohondrohon’ny rano be
q Ny vavany – misy sabatra maranitra roa lela
q Ny tongony – tahaka ny varahina manganohano, voadio tamin’ny fandrendrehana
q Ny tanany ankavanana dia mitana kintana fito
q Eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito Izy
q Velona mandrakizay Izy sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.


Famantarana momba ny
Fahafatesan’i Kristy
Matio 12: 38-40


§ Maty tamin’ny antsasaky ny herinandro (Alarobia) (Daniela 9:27) ary nilevina telo andro sy telo alina Izy (Matio 12: 38-40)
§Izy no nampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà (Daniela 9: 27).
§Nandritra ny fihinanana ny Paska, nanafatra ny mpianany Izy mba hanao toy izany ho fahatsiarovana Azy. (1 Korintiana 11: 24)
§Ny 14 Nisana (Abiba) hariva vao maty masoandro, no fotoana famonoana ny zanak’ondrin’ny Paska, ka itandremana ny Paska (Eksodosy 12: 6).


FAMINTINANA:
Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanamafisana ny fahafantaranao momba an’i Jesosy Kristy. Eo am-pamaliana izany, aza adino ny mamaky Baiboly.

ü   Ahoana no fisehon’ny voninahitr’i Jesosy Kristy araka ny Baiboly?
üOviana no maty i Kristy? Firy andro Izy no nilevina tao am-pasana?
ü Oviana Izy no nitsangana tamin’ny maty?
üInona no fototry ny famonjena ho an'ny olombelona: ny  nahaterahan'i Kristy ve sa ny nahafatesany? Hazavao ny valinteninao.
üInona no maha-zava-dehibe ny fahafatesan’i Kristy?
üInona no filazantsara nasainy hotoriana mandrakizay?

Popular posts from this blog

Famantarana ny Fiavin'i Kristy sy ny Andro Farany