Famantarana ny Fiavin'i Kristy sy ny Andro Farany

famantarana ny fiavin'i kristy
sy ny Fahataperanizao tontolo izao

Matio 24



Inona ny Famantarana ny Fiandohan'ny Fahoriana Manerantany mialoha ny Andro Farany?

Ny famantarana fa efa akaiky ny fiavian’i Kristy sy
ny fahataperan’izao tontolo izao dia:
Ny ady sy filazana ady manerantany
Mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa.
Amin'izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.

Famantarana ny Fiandohan'ny Andro  Farany eo amin’ny lafiny Finoana

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ny « Filazantsaran'ny Fanjakana » ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. »
Hatolotra ho amin'ny fahoriana ireo olona masin’i Jesosy ka hovonoina; ary ho halan'ny firenena rehetra izy ireo noho ny anarany. Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
Maro no ho avy amin'ny anaran’i Jesosy, ka hanao hoe:

« Izaho no Kristy », ka maro no ho voafitany.
Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro. Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny
Hihabe ny tsi-fankatoavan-dalàna ka hihamangatsiaka ny fitiavan'ny maro an’Andriamanitra; Fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Fantatra ve ny  andro sy ora hiavian’ny Tompo sy hahataperan’izao tontolo izao?
Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.
Tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fiavian'ny Zanak'olona. Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hiavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
Nefa « Raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy. »
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny Tenin’ Andriamanitra tsy mba ho levona.
Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

Famantarana ny Fiavian’i Jesosy
 Raha vao afaka ny fahoriana amin'ireo andro ireo:
ny masoandro dia hohamaizinina,
ny volana tsy hahazava;
ny kintana hiraraka avy any an-danitra,
ny herin'ny lanitra hohozongozonina.
Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona
§Tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian'ny Zanak'olona.

Hampanenoana mafy ny Trompetra ary angonina ireo olom-boafidy
 §Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Korintiana 15 : 53)
Hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.
Ary amin'izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela. Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.

«Miambena hianareo»
Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hiavian'ny Tomponareo. Miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hiavian'ny Zanak'olona.
Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
« Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. » (Apokalypsy 22:14)

Inona no anjaranny mpanompo
ratsy fanahy
?
Ny mpanompo ratsy fanahy manao anakampo hoe: Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin'ny mpimamo.
Nefa ho avy ny tompon'izany mpanompo
 ANTIKRISTY
izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin'ny mpihatsara-velatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
« Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga. » (Apokalypsy 22:15)
Ho an’i Jehovah sy Jesosy Kristy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena! Haleloia!

Popular posts from this blog

Famantarana an’i Jesosy Kristy